Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 17:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’ny Joda, ny manodidina an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Benjamina, ny avy any Sefela sy ny tany havoana ary ny avy any Negeva ka hitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ditin-kazo mani-pofona, ary hitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’i Jodà, sy amin’ny manodidina any Jerosalema, sy avy amin’ny tanànan’i Benjamina, amin’ny Sefelà sy amin’ny tendrombohitra ary amin’i Negeba, hitondra sorona dorana aman-tsorona, fanatitra aman’emboka manitra, hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’ny Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:26
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.


Aoka izy hanolotra sorom-piderana sy hihoby mitanisa ny asan’Andriamanitra!


Hanolotra sorom-piderana aho ary hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.


Koa mitondra sorona eto an-tranonao aho hanefako ny voady nataoko taminao,


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin’ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,


Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana. Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak’i Jakôba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.


Eny, ao amin’ny faritanin’i Benjamîna sy ao amin’ny manodidina an’i Jerosalema, any amin’ny tanànan’i Joda ary koa any amin’ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin’ny lemak’i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin’ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Ao amin’ireo tanàna any an-tendrombohitra sy any Sefalà ary any Negeba, ao amin’ny faritanin’i Benjamîna sy ny manodidina an’i Jerosalema ary ao amin’ireo tanànan’i Joda, hoy Izaho TOMPO, dia handalo eo anatrehan’ny mpiandry azy indray ny ondry aman’osy mba hisainy.»


Fahiny efa niteny toy izany tamin’ny alalan’ireo mpaminany ny TOMPO, fony mbola nandry fahalemana ny mponin’i Jerosalema sy ny tanàna manodidina, ary mbola nonenana koa ny faritany atsimo sy ny lemak’i Sefelà.


Koa amin’ny alalan’i Jesoa aoka hatolotsika ho sorona ho an’Andriamanitra mandrakariva ny fideràntsika Azy, dia fiderana ventesin’ny molotr’ireo olona miaiky an’Andriamanitra ho Tompo.


Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan’ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra