Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa aoka kosa aho tsy mba ho menatra; aoka hivadi-po ireo, fa aoka kosa aho tsy mba hivadi-po; ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, Fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, Fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana. Ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:18
21 Rohy Ifampitohizana  

Ratra miampy ratra no afitsony ahy ary toy ny mpiady mahery no iantsampazany amiko.


Ho menatra sy ho afa-baràka anie izay olona mitady hahafaty ahy! Hihemotra sy hangaihay anie izay mikasa hanao ratsy ahy!


Ho voan’ny loza tsy ampoizina anie izy, ka ho tratry ny fandrika nataony ihany sy hianjera amin’ny longoa nohadîny!


TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!


Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy; TOMPO ô, faingàna re hamonjy ahy!


TOMPO ô, Ianao no fialofako ka tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana aho!


Fa ianao kosa, ry Jeremià, misikìna, mitsangàna ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany.


Nefa Ianao, ry TOMPOn’izao rehetra izao, dia mitsara ara-drariny, ka mamantatra ny ao an’eritreritra sy ao am-po. Ho hitako hanafay azy Ianao, satria nankiniko taminao ny adiko.


Ianao kosa, TOMPO ô, mahalala ahy sady mahita ahy; nizaha toetra ny foko Ianao fa miandany aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny olona ratsy fanahy ireny, atokany ho amin’ny andro fandringanana.


Izao kosa no teny holazainao aminy: Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman’alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.


Koa, ho fanombohana, dia hovaliako indroa heny ny helony sy ny fahadisoany satria nandoto ny taniko tamin’ireo fatin-tsampiny maharikoriko izy sady nameno ny anjara fananako tamin’ny andriamani-tsiizy mahatsiravina.»


Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô.


Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza, Tompo ô, na nirary hiavian’ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.


Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: –Mandehana, ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan’ny mpanjakan’i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanàna izy; ary hanaovanao toy izany koa amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema.


Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.


TOMPO ô, tahio ny ezaka vitany ary aoka ho sitrakao ny asa ataony; folahy ny herin’izay mitsangan-kanohitra azy, ary aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.»


Mamalia azy araka izay nafitsony taminareo, ka ataovy avo sasaka noho izay vitany; ny tsatokaty, izay nasiany zava-pisotro mifangaro ho anareo, dia asio zava-pisotro mifangaro indroa heny ho azy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra