Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 17:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: –Mandehana, ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan’ny mpanjakan’i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanàna izy; ary hanaovanao toy izany koa amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Mandehana ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ny mpanjakan’ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: –Mandehana, ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan’ny mpanjakan’i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanàna izy; ary hanaovanao toy izany koa amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana ianao mitsangàna eo am-bavahadin’ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan’ny mpanjakan’i Jodà; sy eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 IZAO no nolazain’i Jehovah tamiko: Mandehana, ka mitsangàna eo amin’ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ny mpanjakan’ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:19
11 Rohy Ifampitohizana  

Injany fa miantso ny Fahendrena ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.


Ireo mpanompovaviny no nirahiny eny amin’ny toerana avo indrindra ao an-tanàna mba hiantsoantso izao fanasana izao:


Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.


Ka lazao amin’ny mpandalo hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpanjakan’i Joda sy ianareo rehetra vahoakan’i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin’ireto vavahady ireto.


Avy eo dia mivoaha mankany amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma, izay eo anoloan’ny vavahadin’ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


Koa teo imason’ny olona rehetra vory tao an-tranon’ny TOMPO no namakian’i Baròka mafy ny hafatr’i Jeremià voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy. Teo amin’ny efitrano natokana ho an’i Gemarià, zanakalahin’i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.


Fa ianao kosa, mankanesa ao amin’ny andron’ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren’ny olona ao amin’ny tempoly mbamin’izay rehetra tonga avy amin’ireo tanànan’i Joda izany.


hitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo olon’i Joda rehetra izay miditra amin’ity vavahady ity mba hivavaka amin’ny TOMPO.


–Mandehana mankao an-kianjan’ny tempoly ary lazalazao amin’ny vahoaka ny teny rehetra momba izao fiainam-baovao izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra