Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 16:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza, fa samy mikiribiby amin’ny ditram-pony avy, ka tsy mihaino Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ny tenanareo koa dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny razanareo. Fa e ianareo samy mandeha araka ny ditran’ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza, fa samy mikiribiby amin’ny ditram-pony avy, ka tsy mihaino Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza; ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo, mba tsy hihaino Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! hianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa Ka tsy mihaino Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary ny tenanareo koa dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny razanareo. Fa e ianareo samy mandeha araka ny ditran’ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 16:12
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.


Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.


Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.


Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin’izay rehetra atao eto ambonin’ny tany. Feno faharatsiana ny fon’ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin’ny maty no hiafarany.


Fa vahoaka ratsy tsy mety mihaino izay lazaiko izy, mikiry amin’ny ditram-pony, mifikitra amin’ireo andriamani-kafa ka manompo azy sy miankohoka eo anatrehany. Koa ho tahaka io fehikibo tsy azo ampiasaina intsony io anie ity vahoaka ity!


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


Kanjo nifikitra tamin’ny ditram-pony sy ny firehan-dratsiny izy ka namaly hoe: «Mamoiza! Izay efa tapakay ihany no hataonay.»


Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»


Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran’ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.


Nefa tsy nihaino Ahy ianareo sady tsy niraharaha Ahy fa nanamafy hatoka sy nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza.


Noho izany, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, indro hofahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.


Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy; fa izahay no mivesatra ny helony.


Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY : ‹Nahoana no manaraka ny fanaon-drazanareo ianareo, ka ny fanompoana ireo sampiny maharikoriko ireo no andotoanareo tena sy ivadihanareo amiko?


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Joda, fa indrindra ireto: Nanao tsinontsinona ny fampianarako izy ary tsy nitandrina ny didiko sady nanaiky ho voafitaky ny andriamanitra sampy izay efa notompoin’ireo razany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Fa hatramin’ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin’ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: ‹Ahoana no iverenanay aminao?›


satria avy ao anaty, avy ao am-pon’ny olona no ipoiran’ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona,


dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran’ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’ny TOMPO tsy ho eo amin’izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.


Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao; fa aza jerenao ny ditran’ity vahoaka ity na ny haratsiam-panahiny na ny fahotany,


Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.


Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.


Kanjo raha vao maty ilay mpitsara, dia miverina indray amin’ny ratsy fanaony mihoatra noho ireo razany ny Israelita, ka manompo andriamani-tsiizy sy miankohoka eo anatrehany. Tsy nialany akory ny ratsy fanaony sy ny toetra maditra mahazatra azy.


Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra