Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana, dia hasian’ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy; raha misy natao hiharan’ny mosary, dia hiharan’ny mosary izy; raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary raha toa izy ka miteny aminao hoe: Hiala hankaiza ary izahay? Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izay ho amin’ny fahafatesana dia ho amin’ny fahafatesana, izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra, izay ho amin’ny mosary dia ho amin’ny mosary, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana, dia hasian’ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy; raha misy natao hiharan’ny mosary, dia hiharan’ny mosary izy; raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary raha tahiny izy manao aminao hoe: Ho aiza anefa izahay? dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh: Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana; ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra; ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary; ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Izay ho amin’ny areti-mandringana dia ho amin’ny areti-mandringana, Ary izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra, Ary izay ho amin’ny mosary dia ho amin’ny mosary, Ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, ary izay ho amin'ny mosary dia ho amin'ny mosary, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary raha toa izy ka miteny aminao hoe: Hiala hankaiza ary izahay? Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izay ho amin’ny fahafatesana dia ho amin’ny fahafatesana, izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra, izay ho amin’ny mosary dia ho amin’ny mosary, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Koa izay mandositra ny kiakiaka vokatry ny fampihorohoroana, dia ho latsaka ao anatin’ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa dia ho voan’ny fandrika harato. Misokatra ny hidin-drano any ambony, ka mihozongozona ny fanorenan’ny tany.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.


Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»


Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.


Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin’ny areti-mandringana dia hianjadian’ny areti-mandringana, izay natao ho amin’ny fahababoana dia hianjadian’ny fahababoana, ary izay natao ho amin’ny sabatra dia hovonoina ho faty amin’ny sabatra.


Ambarao aminy fa famantarana mialoha ho azy ianao, ka tahaka izay nataonao no hatao aminy; ho lasan-ko babo any an-tsesitany izy rehetra.


Izao kosa avy eo no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Na dia nalefako hamely an’i Jerosalema aza ireo famaizako efatra mandoza ireo, izany hoe ny ady sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba handripahana ny olona sy ny biby fiompy,


«Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Velona Aho ka mianiana fa izay sisa tavela ao amin’ireo tanàna rava dia ho fatin’ny sabatra, izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay miery any an-tendrombohitra sy any an-dava-bato dia ho fatin’ny areti-mandringana.


Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.


Rehefa tapitra ny fotoanan’ny fahirano, dia hodoranao amin’ny afo harehitrao eo afovoan-tanàna ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin’ny sabatra manodidina ny tanàna. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin’ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.


Ary notanterahinao, Andriamanitra ô, ny teny nambaranao hamelezana anay sy ny mpitondra izay nitondra anay, ka nahatonga taminay tao Jerosalema loza lehibe izay tsy mbola nisy tahaka izany taty ambanin’ny lanitra.


toy ny amin’ny olona mandositra liona kanefa mifanehatra amin’ny orsa; na toy ny amin’ny olona tonga ao an-trano sy mitehina amin’ny rindrina, kanefa kaikerin’ny menarana.


Dia hoy aho taminy: –Tsy hiandry anareo intsony Aho. Izay natao ho faty; izay natao ho ringana, dia aoka izy ho ringana; ary izay sisa velona dia aoka izy hifampihinana!


Raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy. Amin’izany no ilana ny faharetana sy ny finoana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra