Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 13:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Koa haeliko ianareo ho toy ny poti-mololo indaosin’ny rivotra avy any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Koa dia haeliko toy ny vodivary indaosin’ny rivotra avy any an-tany efitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Koa haeliko ianareo ho toy ny poti-mololo indaosin’ny rivotra avy any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Haeliko hoatra ny mololo indaosin’ny rivotra mifofofofo avy any an’efitra izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Koa dia haeliko izy Toy ny vodivary indaosin’ny rivotra avy any an-efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 13:24
19 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy, fa tahaka ny akofa aelin-drivotra.


Ny fitrenan’ireo firenena dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe. Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.


Hokororohinao hoentin’ny rivotra izy sy haelin’ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin’i Israely no hireharehanao.


Tahaka ny vovoka tsofin’ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako ny vahoakako eo anoloan’ny fahavalony. Amin’ny androm-pahavoazany dia hiambohoako izy fa tsy hatrehiko!


Izany no TOMPOn’izao rehetra izao. Tandremo, antsoy ho tonga ireo vehivavy mpitomany. Maniraha haka ireo efa za-draharaha;


Nailikiliky ny Tompo ireo maheriko rehetra. Nanainga andian-tafika iray Izy hamely ahy mba afaka hanamontsana ireo zatovoko. Nohosihosen’ny Tompo toy ny voaloboka am-pamiazana aho, dia izaho Tsiôna, ilay tsara tarehin’i Joda.


Ho faty an’ady ireo miaramila kinga amin’ny andian-tafiny rehetra, ary izay sisa velona dia haely amin’ny vazan-tany efatra: Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no efa niteny taminareo.»


Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.


Rehefa tapitra ny fotoanan’ny fahirano, dia hodoranao amin’ny afo harehitrao eo afovoan-tanàna ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin’ny sabatra manodidina ny tanàna. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin’ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.


Nefa hitazonako sisa tavela ihany aminareo, dia ireo afaka tamin’ny ady teo anivon’ny hafa firenena rehefa voaely ho any an-tany hafa ianareo.


Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon’ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin’ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin’ny varavarankely.


Ianareo kosa, ady no hapoakako hamelezana anareo ka haeliko any amin’ny firenen-kafa ianareo; dia ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.


dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa izay miely indray andro monja, dieny tsy mbola mahazo anareo ny afom-pahatezeran’ny TOMPO, ary dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro hirehetan’izany.


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.


«Nokasaiko haparitaka ireo ka ho foana eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,


Haelin’ny TOMPO any amin’ny firenen-tsamy hafa ianareo; ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra