Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 12:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza tsy arakao, hoy ny Tompo, ahoana, ry Jeremià, no hifaninananao amin’ny mpitaingin-tsoavaly? Raha amin’ny tany milamina ihany no anananao toky ahoana kosa no hataonao rehefa ao anaty kirihitrala eny amoron’i Jôrdàna?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Raha niara-nihazakazaka tamin’izay mpandeha an-tongotra ianao ka tsy naharaka azy dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ny tany mandry fahalemana ihany no anananao toky dia hanao ahoana kosa ianao, raha tonga any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza tsy arakao, hoy ny Tompo, ahoana, ry Jeremià, no hifaninananao amin’ny mpitaingin-tsoavaly? Raha amin’ny tany milamina ihany no anananao toky ahoana kosa no hataonao rehefa ao anaty kirihitrala eny amoron’i Jôrdàna?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Raha ny mandeha tongotra, iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao; hataonao ahoana no fifaninanana amin’ny an-tsoavaly? Raha ny tany nandry feizay no hany anananao toky, hanao ahoana ianao, raha sehatra ny liona eny amoron’i Jordany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Raha niara-nihazakazaka tamin’ny mandeha an-tongotra hianao ka voany, Dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ny tany miadana no anananao toky, Hanao ahoana kosa hianao, raha mby any amin’ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Raha niara-nihazakazaka tamin’izay mpandeha an-tongotra ianao ka tsy naharaka azy dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ny tany mandry fahalemana ihany no anananao toky dia hanao ahoana kosa ianao, raha tonga any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 12:5
14 Rohy Ifampitohizana  

Mpitari-tafika ireo avy amin’ny taranak’i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo.


Tsy hitanondrika foana aho, Tompo ô, fa aleoko mivetsovetso Anao avy atỳ amin’ny faritra iandohan’i Jôrdàna, dia ny tendrombohitra Hermôna sy Mitsehara.


Raha osa amin’ny androm-pahoriana ianao, dia kely dia kely herim-po tokoa!


Anaka, aza hamavoinao ny famaizan’ny TOMPO ary aza tofoka amin’ny fananarany.


Koa izao no lazain’ny TOMPO hamelezana ny mponin’i Hanatôta izay nitady hamono ahy ka nanao tamiko hoe: «Aza maminany amin’ny anaran’ny TOMPO, fandrao ho fatin’ny tananay ianao.»


Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremià ny teny rehetra izay nasain’ny TOMPO nambarany tamin’ny besinimaro teo, dia nosamborin’izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe: –Mendrika ho faty ianao.


fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.


Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Fotoan’ny fararano tamin’izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano,


Ry hava-malala, aza gaga amin’ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra