Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 7:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 koa lazao aminy hoe: Mitandrema ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midona-tsetroka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran’i Rezina sy i Arama ary ny zanak’i Remalia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 ka ianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’i Remalia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 koa lazao aminy hoe: Mitandrema ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midona-tsetroka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran’i Rezina sy i Arama ary ny zanak’i Remalia.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 7:4
25 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-52 nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Peka zanakalahin’i Remalià; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Samaria.


Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»


Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny;


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY, dia ilay Masin’i Israely: Ho voavonjy ianareo, raha miverina amiko sady milamina; hahery ianareo, raha tony sy matoky Ahy. Kanefa tsy mety ianareo,


Tsinontsinona sy zava-poana ny famonjen’i Ejipta; koa izany no iantsoako azy hoe: «Ilay be rehaka tsy mahavita na inona na inona».


Lazao amin’izay kivy hoe: «Mahereza, aza matahotra; indro ny Andriamanitrareo tonga hitondra famaizana ka hanasazy ny fahavalonareo; Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»


dia nilazany hoe: –Ambarao amin’ny tomponareo izao hafatry ny TOMPO izao: Aza matahotra eo anatrehan’ny teny renao nanevatevan’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Asiria Ahy.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy.


I Damasy manko no renivohitr’i Siria, ary ao ihany i Retsîna no filoha; i Samaria no renivohitr’i Efraîma, ary ao ihany i Peka no filoha. I Efraîma, ao anatin’ny 65 taona, dia tsy ho vanon-ko firenena intsony.› Kanefa raha tsy ny TOMPO no itokianareo, dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo.»


Fa raha tsy mbola mahay miantso Dada sy Neny akory io zaza io, dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny remby voababo tao Samaria.


–Ity vahoaka ity dia manao tsinontsinona ny ranon’i Silôà izay misononòka mora; ka kivy izy manoloana an’i Retsîna sy manoloana ilay zanakalahin’i Remalià.


Tsara ny manantena mangina ny famonjen’ny TOMPO.


Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo tahaka izay nataoko tamin’i Sôdôma sy Gômôra; ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana nosarihina avy ao amin’ny afo nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.


Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna: –Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa?


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Handre ady sy filazana ady ianareo, koa fadio izay hatahotra; eny, tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no farany.


«Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany.


Ka hoy i Davida tamin’i Saoly: –Tompokolahy, aoka tsy hisy ho ketraka noho ny io Filistinina io ny olona, fa ny tenako mihitsy no handeha hiady aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra