Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 6:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe: «Masina, masina, masina ny TOMPOn’izao rehetra izao! Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary nanandratra ny feony ireo ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Henika ny voninahiny ny tany rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe: «Masina, masina, masina ny TOMPOn’izao rehetra izao! Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary nanandratra ny feony ireo ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Henika ny voninahiny ny tany rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:3
25 Rohy Ifampitohizana  

Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.


satria lehibe tafapaka amin’ny lanitra ny fitiavanao ary avo tafapaka amin’ny rahona ny fahamarinanao.


Ihirao salamo Izy satria be voninahitra. Tolory voninahitra Izy amin’ny fiderànareo.


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


TOMPO Andriamanitray ô, endrey ny halehiben’ny voninahitrao manerana ny tany tontolo! Nataonao manoatra ny lanitra ny fiandriananao.


Ny ataonao aminay anie ho hitanay maso ary ny voninahitrao ho tsapan’ny taranakay!


manambara ny fahamarinany ny lanitra ary mahita ny voninahiny ny firenen-drehetra.


Aoka ireo hidera ny anaranao izay lehibe sy mampitolagaga, satria masina tokoa Ianao!


Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; eny, masina ny TOMPO Andriamanitsika ka iankohofy eo an-tendrombohiny masina.


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.


Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»


Fa ilay mpanao anao no ho vadinao; ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao, dia ilay antsoina hoe «Andriamanitry ny tany tontolo.»


Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin’ny famirapiratany.


Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny tempoly aho. Hitako ny voninahitry ny TOMPO fa nameno ny trano; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.


Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin’ny tany tokoa tahaka ny anaronan’ny ranobe ny fanambanin’ny ranomasina.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra.


Kanefa velona Aho ary feno ny voninahitra maha TOMPO Ahy ny tany tontolo, koa mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin’io tany io ireo olona ireo.


Mangataka aho ny hanokafan’Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan’Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren’ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an’ny vahoakany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra