Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 53:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nitondra ny aretintsika tokoa izy sady nivesatra ny fahoriantsika; saingy isika no nihevitra azy ho nofaizin’Andriamanitra Izay nikapoka sy nampietry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fanaintainantsika, kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nitondra ny aretintsika tokoa izy sady nivesatra ny fahoriantsika; saingy isika no nihevitra azy ho nofaizin’Andriamanitra Izay nikapoka sy nampietry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy Sady nivesatra ny fahoriantsika; Kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 53:4
19 Rohy Ifampitohizana  

Aoka ho rava ny tobiny ary tsy hisy mpitoetra ny lainy,


satria ilay nokapohinao no mbola enjehiny ary ny ferin’ilay noratrainao no ampiany!


Noho Ianao no izakako latsa sy mahasafo-kenatra ny tavako,


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


Fa ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan’ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


Nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa,


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»


Ny Jiosy kosa namaly azy hoe: –Manana lalàna izahay, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra!


Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason’Andriamanitra.


I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»


toy izany koa i Kristy: voatolotra ho sorona indray mandeha monja Izy, mba hanesorana ny otan’ny besinimaro. Hiseho fanindroany Izy, kanefa tsy hanaisotra ota intsony amin’izay fa hamonjy an’ireo miandry Azy.


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.


Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra