Isaia 5:7 - DIEM PROTESTANTA7 Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika7 Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Fa ny taranak’i Isiraely no tanimboalobok’i Jehovah, Tompon’ny maro, Ary ny lehilahy amin’ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-dra; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache7 Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana! Jereo ny toko |
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa voaloanareo ny ampahafolon’ny ana-madinika toy ny karaotimanitra sy ny solila ary ny kòmina; nefa navelanareo ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny hitsimpo; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa!
Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.