Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 5:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Hataoko tany lava volo ilay voaloboko ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Hataoko tany lava volo ilay voaloboko ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 5:6
32 Rohy Ifampitohizana  

Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


«Mety koa hikatona ny lanitra ka tsy misy ny orana noho ny nanotan’ny Israelita taminao. Rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izy ka midera ny anaranao sady miala amin’ny fahotany satria nampahorinao,


dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha ary ny ahi-dratsy no hirobona hisolo ny ôrza! Tapitra ny tenin’i Jôba.


Indro tsilo sy ahidratsy sisa no hitako hatraiza hatraiza; ary ny fefy vato manodidina dia nirodana.


Zava-mampahonena sisa no tao an-tanàna, rava sy montsamontsana ny vavahady!


Handrotsaka ranonorana ny Tompo ho an’ny voa izay nafafinao any an-tsaha, ka ny sakafo hovokarin’ny tany dia sady ho betsaka no hatsiro. Amin’izany andro izany, ny biby fiompinao dia hiraoka amin’ny kijàna midadasika.


Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.


Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.


Ny hazo kipreso no haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra no haniry ho solon’ny amiana. Ho voninahitra ho an’ny TOMPO izany, ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana ny amin’izay nataony ho anareo.»


Dia indray ho avy ireny ka hipetraka eny an-tevana kisolasola sy eny an-tsefatsefa-bato ary koa eny amin’ny kirihitra rehetra eny sy eny amin’ny toerana rehetra fampisotroam-biby.


Tenin’ny TOMPO tamin’i Jeremià noho ny hain-tany.


Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.


Ho rava sy hampahonena ny tany manontolo ary hanompo ny mpanjakan’i Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny firenen-kafa rehetra.


Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.


Noravany ny zaridaina sy ny tranobongony, nosimbany ny toeram-pihaonany. Nataon’ny TOMPO hadino tao Tsiôna ny andro fety sy ny sabata. Tamin-katezerana mirehitra no nanesorany ny mpanjaka mbamin’ny mpisorona.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.


Nosimbany ny voaloboko ary nopotehiny ny aviaviko. Nokikisany sy nohodirany ireny mandra-pahafotsy ny rantsany.


Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: «Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitr’izao fahatezerany mirehitra mafy izao?»


Ireo no manam-pahefana hanidy ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana mandritra ny andro hampitany ny hafatr’Andriamanitra; sady manam-pahefana amin’ny rano, ka mahova azy ho ra; ary manam-pahefana hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te hanao izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra