Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 5:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin’izay tanety lonaka izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin’izay tanety lonaka izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Andeha hihira ho an’ny malalako aho, ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin’ny tanety mahavokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 AOKA aho hihira ny amin’ ny Malalako, Dia hiran’ny Malalako ny amin’ny tanimboalobony. Ny Malalako nanana tanimboaloboka tao an-kavoana lonaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Aoka aho hihira ny amin'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 5:1
23 Rohy Ifampitohizana  

Salamo nataon’i Davida. TOMPO ô, firaiketam-po aminao sy rariny ho an’ny vahoaka no zavatra tiako hokaloina: izany no hankalazako Anao an-kira.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra. Tononkiram-pitiavana.


Nataonao nahita ny mafy ilay vahoakanao ary nampisotroinao divay mahafanina.


Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!


Ahy ny malalako, ary azy aho. Amin’ny toerana misy lisy no mirao-bilona izy.


Feno hamamiana ny vavany fanoroko ary mahatehotia avokoa ny aminy. Toy izany ilay malalako sady olon-tiako, ry tovovavin’i Jerosalema.


Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»


An’ny malalako aho ary ahy ny malalako. Amin’ny toerana misy lisy no mirao-bilona izy.


Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,


Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa?


«Ry ilay taranak’olombelona, moa sarobidy kokoa noho ny vatan-kazo avy amin’ny hazo any an’ala ve ny tahom-boaloboka?


«Ny reninareo dia tahaka ny voaloboka iray nambolena teo amoron-drano. Nilonjehitra voa sy nanaroka izy noho ny rano be nanondraka azy,


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


–Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.


Ary dia fanoharana indray no nitenenan’i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, ka hoy Izy: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.


Dia nitodika tamin’ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa.


–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly.


Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.


Tany soa no efa hampidiran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin’ny lemaka na eny an-tendrombohitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra