Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 42:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy ho reraka na ho kivy izy mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin’ny tany fa hiandry dia hiandry ny lalànany ireo mponina any amin’ny nosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tsy ho reraka Izy na ho kivy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy dia hiandry ny lalànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy ho reraka na ho kivy izy mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin’ny tany fa hiandry dia hiandry ny lalànany ireo mponina any amin’ny nosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany, Ary ny nosy hiandry ny lalàny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:4
33 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!


Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.


Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalàny.


Nahita izany ka raiki-tahotra ny mponina any amin’ny nosy lavitra; manatona amin-kovitra sy tonga koa ny avy any am-paran’ny tany.


Mihirà hira vaovao ho an’ny TOMPO; miderà Azy avy any am-paran’ny tany ianareo mpivezivezy eny an-dranomasina sy ianareo mponina any amin’ny nosy.


Hanome voninahitra ny TOMPO anie ireny; ary aoka hitory ny fiderana Azy ny mponina any amin’ny nosy lavitra!


Fa sitraky ny TOMPO ho fandresen’ny fahamarinany ny haneho fa lehibe sy heni-boninahitra ny lalànany,


Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.


«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalàna; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa


Efa akaiky ny fanafahako, efa hiseho ny famonjeko; ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa. Koa ny mponina any amin’ny nosy any dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin’ny fahefàko.


Ary ianao koa, ry Israely, dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao; ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory no hirohotra hanatona anao, satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin’i Israely, no nanome anao izany voninahitra izany.


Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.


Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.


«He! Ry vahoakan’i Tsiôna voasesitany ao Babilôna, mitsoaha tao ianareo.»


Ary Izy no hitokian’ireo firenena.»


Fa hoy i Jesoa tamin’ilay lehilahy maty tanana: –Ndeha mijoro etsy afovoan’ny olona.


Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy.


Tamin’ireo tsy mahalala ny lalànan’i Mosesy, dia nanao tahaka ireo tsy mahalala io lalàna io aho hahazoako azy ireo; tsy hoe tsy fehezin’ny lalànan’Andriamanitra aho, fa manoa ny lalànan’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra