Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 42:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra amin’ilay mpanompo voafidiny:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra amin’ilay mpanompo voafidiny:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy Sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:5
36 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany


Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.


Izy no mitana ny ain’ny voaary rehetra, mbamin’ny fofonain’ny olombelona tsirairay avy.


raha mbola misy koa aina kely ato amiko ary eo am-bavoroko ny fofonain’Andriamanitra,


Fa Fanahin’Andriamanitra no nahariana ahy ary fofonain’ilay Tsitoha no mamelona ahy.


Raha tsy nihevitra afa-tsy ny tenany ihany Izy ka nanangona ho azy samirery ny fofonaina,


ary namelatra ny tany teo ambonin’ny rano; –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra; niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.


Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.


Ry TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.


Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany na naharefy ny lanitra tamin’ny irain-jehiny? Iza no nahangona ny vovotany tamin’ny vata famarana tokana ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana tamin’ny mizana anankiray monja?


Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.


Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefàny ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.


Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalàny.


Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.


Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona monina eo amboniny. Izaho no nanenjana ny lanitra tamin’ny tanako sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.


Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: «Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.»


Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.


Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.


Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.


Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin’ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an’izay tiako.


–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny fahefànao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.


Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.


Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.


Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.


Nanorina ny lapany any an-danitra Andriamanitra, ka ny tany no iorenan’ny andohalambon’ny lanitra; miantso ny rano eny an-dranomasina Izy ka mampilatsaka azy etỳ ambonin’ny tany. Ny TOMPO no anarany.


Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:


Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona.


Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka.


fa amin’izao andro farany izao kosa dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian’Andriamanitra izao tontolo izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra