Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 32:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Aoka handondon-tratra ianareo; malahelova amin’ny saha mahafinaritra sy amin’ny voaloboka mahavokatra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Miteha-tratra izy fa malahelo ny saha mahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Aoka handondon-tratra ianareo; malahelova amin’ny saha mahafinaritra sy amin’ny voaloboka mahavokatra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Migogogogo ny olona mandondon-tratra ny amin’ny saha mahafinaritra, ny amin’ny tanimboaloboka mahavokatra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Miteha-tratra izy, Fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Miteha-tratra izy fa malahelo ny saha mahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 32:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Indro ny TOMPO fa hanimba ny tany ka handrava azy; havadiny ambony ambany izy ary haeliny ny mponina eo aminy.


Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.


malahelova amin’ny tanin’ny vahoakako izay rakotry ny kirihitra tsilo; eny, malahelova tokoa ianareo; ny amin’ny korana fanao isan-trano eto amin’ity tanàna revon-danonana ity.


Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon’ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.


Ary nianiana taminy koa Aho tany an-taniefitra fa tsy hitondra azy hiditra ao amin’ny tany efa nomeko azy, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra;


Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.


Nosimbany ny voaloboko ary nopotehiny ny aviaviko. Nokikisany sy nohodirany ireny mandra-pahafotsy ny rantsany.


Vaky tampoka ny vavahady manolotra ny ony, ary mirodana ny lapa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra