Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 32:12 - Baiboly Katolika

12 Migogogogo ny olona mandondon-tratra ny amin’ny saha mahafinaritra, ny amin’ny tanimboaloboka mahavokatra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Miteha-tratra izy fa malahelo ny saha mahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Aoka handondon-tratra ianareo; malahelova amin’ny saha mahafinaritra sy amin’ny voaloboka mahavokatra;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Aoka handondon-tratra ianareo; malahelova amin’ny saha mahafinaritra sy amin’ny voaloboka mahavokatra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Miteha-tratra izy, Fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Miteha-tratra izy fa malahelo ny saha mahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 32:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.


Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika; ireo nifaly am-po rehetra misento.


Eo amin’ny tanin’ny vahoakako, tsilo sy hery no maniry, na dia eo ambonin’ny trano firavoravoana rehetra aza ao amin’ny tanàna ravoravo.


Levona azon’ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin’ny tany ny atiko, noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako, raha ilay toran’ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin’ny kianjan’ny tanàna.


Efa nanainga ny tanako hamely azy Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, -


tamin’izany andro izany, nanangan-tanana homba azy ireo Aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin’ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo.


Nosimbany ny voaloboko; notapatapahiny ny aviaviko; dia nataony makiky sady nazerany ireny; ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.


Mivoha ny vavahadin’ny ony, dia mirodana ny lapa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra