Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 32:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Raha afaka herintaona mahery kely dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; hifarana mantsy ny taom-piotazam-boaloboka ary tsy hisy akory ny fanangonam-boankazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Raha afaka herintaona mahery andro vitsy, dia hangovitra ianareo tsy manahy, fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy; ny fanangonam-boa tsy hatao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra hianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, Ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Raha afaka herintaona mahery kely dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; hifarana mantsy ny taom-piotazam-boaloboka ary tsy hisy akory ny fanangonam-boankazo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 32:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin’ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.


Amin’izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.


Nony tena hioty vokatra teo aminy Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy nisy voany teo amin’ny voaloboka ary tsy nisy voany koa teo amin’ny aviavy, fa nalazo ny raviny; koa avelako ho an’ny mpandalo izy.


Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Maina ny voaloboka, malazo ny aviavimbazaha; toraka izany koa ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihalefy ny fifaliana teo anivon’ny olombelona.


Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.


Nosimbany ny voaloboko ary nopotehiny ny aviaviko. Nokikisany sy nohodirany ireny mandra-pahafotsy ny rantsany.


Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny ôliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala,


Koa dia hobaboina ny hareny ary horavana ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra