Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 3:2 - DIEM PROTESTANTA

2 ny miaramila voafantina sy ny miaramila tsotra, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpimasy mbamin’ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 ny lehilahy mahery fo sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpisikidy sy ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 ny miaramila voafantina sy ny miaramila tsotra, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpimasy mbamin’ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin’ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany ama-mpimasy, ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 ny lehilahy mahery fo sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpisikidy sy ny loholona,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 3:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin’ny boky firaketan’ny mpanjakan’i Israely izany. Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilôna, noho ny fahotany.


Tsy hitanay intsony ny mariky ny fanatrehanao, tsy misy mpaminany intsony; ary tsy misy aminay mba mahalala izay mbola haharetan’izao toe-javatra izao.


ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin’ny manampahaizana, ary ireo havanana amin’ny fanaovana vorika.


«Anontanio ange ireo olona maditra ireo raha mba fantany akory ny dikan’izany fanoharana izany e! Ampahatsiahivo azy ny fomba nidiran’ny mpanjakan’i Babilôna tao Jerosalema, ny nisamborany ny mpanjaka sy ireo mpitondra ambony mbamin’ny nitondrany azy tany Babilôna.


Avy eo dia naka olona iray tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka izy ka nanao fifanekena taminy, ary nampianiana azy. Nampanalaviriny ny tany ireo olo-maventy rehetra,


Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon’ny loholon’i Israely ao amin’ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an’ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: ‹Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy›. »


Avy eo dia reko Izy nanome baiko ireo sisa hoe: «Manaraha io lehilahy io eran’ny tanàna, ka vonoy ny mponina. Aza antra fijery azy ianareo, ary aza mamindrafo aminy.


Haringako ilay mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy koa ireo manamboninahiny rehetra. Izaho Tompo no miteny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra