Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 26:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Koa amin’ny làlan’ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, Ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:8
39 Rohy Ifampitohizana  

Toy izany indrindra ny fianakaviako eo anoloan’Andriamanitra; fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay no nataon’Andriamanitra tamiko, dia fanekempihavanana mirindra sy voatandro amin’ny lafiny rehetra. Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.


Sambatra izay mitandrina ny rariny ka manao ny hitsiny amin’ny fotoana rehetra.


Koa manantena mafy ny TOMPO aho sady matoky ny teniny.


ankatoaviko avokoa ny fitsipiny ary tsy mba ialako ireo didiny.


Tahaka ny diera maniry ranovelona no aniriako Anao, Andriamanitra ô.


Manasoa anay tokoa Ianao, ry Andriamanitra Mpamonjy anay; ka dia zava-mampitolagaga no amalianao ny vavakay, ry hany fanantenan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany rehetra mbamin’ireo nosy any lavitra any.


Any an-danitra, iza moa no ahy afa-tsy Ianao? Etỳ an-tany, inona indray no irîko fa efa manana Anao aho?


Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, endrey ny fitiavako ny tranonao!


Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.


«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, miangavy mafy anareo aho hoe: Raha mba tojo ny malalako ianareo, dia inona no holazainareo aminy? –Ilazao izy fa mararim-pitia aho!»


Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.


«Aoka homem-boninahitra ny TOMPO any amin’ny faritra atsinanana! Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely, aoka homem-boninahitra ny anarany eny amin’ny tany amoron-dranomasina!»


TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.


Amin’izany andro izany no hilazana hoe: «Indro ny Andriamanitsika. Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny. Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika, koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!


Ry TOMPO Andriamanitray ô, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.


Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindra fo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.


TOMPO ô, iantrao izahay fa manantena Anao. Aoka Ianao no ho herinay isa-maraina sady ho mpamonjy anay amin’ny androm-pahoriana!


Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.


«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalàna; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa


Izao no lazain’ny TOMPO: «Tandremo ny rariny ka manaova ny marina, satria akaiky ho tonga ny famonjeko ary efa hiharihary ny fanafahako.


Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.


Fa izaho kosa mitodika amin’ny TOMPO ary manantena an’Andriamanitra mpamonjy ahy, fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.


Ireo no didy amam-pitsipika nomen’ny TOMPO ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.


Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.


Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe: –Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain’ny Ray, izay efa renareo tamiko.


Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.


Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian’i Kristy!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra