Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 21:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Dia namaly ny mpiambina hoe: «Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina. Raha mbola ta hanontany ianareo dia manontania ihany! Dia miverena indray; eny, miverena!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia namaly ny mpiambina hoe: «Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia namaly ny tily nanao hoe: «Tonga ny maraina, ary ny alina koa. Raha te-hanontany ahy ianareo, manontania; tongava indray amin’ny fotoana hafa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany hianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina. Raha mbola ta hanontany ianareo dia manontania ihany! Dia miverena indray; eny, miverena!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 21:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Vao takariva dia injao ny horohoro, tsy maraina akory dia efa foana izany. Toy izany no hanjo izay nandroba antsika sy ho anjaran’izay namabo antsika.


Hafatra momba an’i Domà. Nisy niantso ahy avy ao Sehîra hoe: «Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?»


Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


Vonoy ho faty ny miaramilany rehetra; aoka hidina any an-toeram-pamonoana ireo! Idiran-doza ireo fa tonga ny androny dia ny fotoana hamalian’ny Tompo azy.


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


«Indro ny andro fitsarana, ary mby akaiky sady miseho lany ny faharavana. Mitombo ny hetraketraka ary mahazo vahana ny avonavona.


Tonga ny fotoana ary akaiky ny andro fitsarana: aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra satria ny vahoaka rehetra no iharan’ny fahatezerako.


Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra