Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 18:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ny fitoerako, tahaka ny hafanan’ny masoandro mipoaka, tahaka ny ranonando amin’ny hafanan’ny fararano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Hisonanina ato amin’ny fonenako Aho, dia hijery, toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro, toy ny ranonando amin’ny hafanam-pararano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ny fitoerako, Raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, Ary misy zavona amin’ny hainandro fararano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin'ny hainandro fararano.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 18:4
17 Rohy Ifampitohizana  

dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro amin’iny maraina tsy misy rahona iny. Ny tarany mafana mandimby ny orana no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»


Hohenoinao anie ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.


Aoka izy ho tahaka ny erika mifafy amin’ny vilona, ho tahaka ny oram-baventy manondraka ny tany!


Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; fa ny fitsimbinany kosa dia mahasoa toy ny ando amin’ny ahitra.


Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin’i Israely.


Koa inona no havaly ireo iraky ny Filistinina? –Izao ihany: Ny TOMPO no nanorina an’i Tsiôna ary ao no hialofan’ireo mahantra amin’ny vahoakany.


Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.


Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko, ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin’ny vovo-tany, fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.


Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.


Hampanatoniko ny fanafahako fa tsy ho lavitra intsony. Tsy hitaraiky intsony ny famonjena, fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna; eny, zavatra mamirapiratra no homeko an’i Israely.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Izaho TOMPO dia hanasitrana an’ilay Israely amin’ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan’ny fahatezerako izy.


Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra