Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 18:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Fa alohan’ny fotoam-pijinjana, rehefa tapitra namelana avokoa ny voaloboka ary rehefa tonga voany mihamasaka ny voniny, dia horantsanana amin’ny hety ny rantsany, ary hotapahina ny sakeliny sy ny raviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, rehefa tonga voa ny voniny, dia horantsanany amin’ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Fa alohan’ny fotoam-pijinjana, rehefa tapitra namelana avokoa ny voaloboka ary rehefa tonga voany mihamasaka ny voniny, dia horantsanana amin’ny hety ny rantsany, ary hotapahina ny sakeliny sy ny raviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Fa alohan’ny fijinjana, rehefa tapitra ny famoniana, ka efa tonga sampaho efa ho masaka ny voniny, dia hotapahiny amin’ny antsy ny rantsany, hoesoriny ny sampany dia hotangosany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, Ka efa mby am-boany ny voniny, Dia horantsanany amin’ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, Ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 18:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Mihamasaka eny amin’ny aviavy irony voany tanora; ary mamerovero manitra ny voaloboka mamony. Koa mitsangàna, rahavako; ry ilay tsaratarehiko, ndeha hiaraka amiko.


«Sambory ka omeo anay ny fosa, dia ireo zanaka fosa mpanimba ny tanimboalobokay fa efa mamony izao ny voalobokay.»


Indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao fa manjera rantsana amin-kerisetra; voakapa ny hazo mijoalajoala, voadaboka ny hazo avo dia avo.


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra