Isaia 16:12 - DIEM PROTESTANTA12 Hita ho sasa-poana tokoa i Môaba miakatra eny amin’ny toeram-panasinany sy miditra ao amin’ny tempoliny mba hitalaho amin’ny sampiny, nefa tsy nisy vokany izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Miseho i Moaba, sasatra ao amin’ny toerana fanaovana sorona izy. Mankao amin’ny fitoerany masina izy mba hivavaka nefa tsy mahazo na inona na inona. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Hita ho sasa-poana tokoa i Môaba miakatra eny amin’ny toeram-panasinany sy miditra ao amin’ny tempoliny mba hitalaho amin’ny sampiny, nefa tsy nisy vokany izany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Dia no hitan’ny olona i Moaba hisasatra eo amin’ny fitoerana avony, hiditra ao amin’ny fitoera-masiny izy hivavaka, nefa tsy hahazo na inona na inona. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ny fitoerana avo, Ary mankao amin’ny fitoerany masina mba hivavaka, Dia tsy hahazo na inona na inona izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy. Jereo ny toko |
Kanjo raha iny izy niankohoka tao amin’ny tempolin’i Nisrôka andriamaniny iny indrindra, no avy namono azy tamin’ny sabatra ny zanany roa lahy, dia i Adramelèka sy i Saretsera; avy eo lasa nandositra any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy fa i Esara-Hadôna zanakalahin’i Saneheriba no nanjaka nandimby azy.
«Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba, misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.