Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
Toy ny fakàna ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren’ireo firenena sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.»
Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.
–ireo mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky. Izany hoe ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao, manerana ny velaran-tany, dia samy tsy maintsy nisotro tsirairay tamin’izany tsangambava feno ny divaim-pahatezeran’ny Tompo izany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no nisotro namarana azy.
Koa ianareo rehetra mpifanila aminy sady mahalala ny lazany dia manehoa fiaraha-miory ka manaova hoe: «Ahoana no nahapotika ity hery màzana sy ity fahefàna be voninahitra ity?»
Indro Aho hifanandrina aminao ry Babilôna mpiavonavona, Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. Fa tonga ny andronao izao, dia ny fotoana hamaliako anao.
Eny, mamitaka ny harena: Tsy mahatombina mihitsy ny mpiavonavona, fa homan-dava tahaka ny toeran’ny maty izy ary tsy mety voky toy ny fahafatesana ka dia manangona ny firenen-drehetra ho an’ny tenany sy mamory ny olon-drehetra ho eo ambany fifehezany.