Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 11:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry, ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana ka zazalahy kely no hitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry, ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana ka zazalahy kely no hitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; Ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 11:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Ho vita fanekempihavanana mirindra ianao amin’ny vato eny an-tsaha sy amin’ny bibidia,


Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.


Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak’ondry; ny liona hihinam-bilona toy ny omby, ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany. Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO, na fanimbàn-javatra intsony, manerana ny tendrombohitro masina!


«Hanao fanekempihavanana amin’ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin’ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an’ala aza.


Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.


Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn’Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin’ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra