Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 10:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hanesorana eo amin’ny fitsarana ny fitarainan’ny madinika izany ary hamerezan-jo aman-drariny ny mahantra eo amin’ny vahoakako, hamaboan-karena ny mpitondratena ary koa handrobam-pananana ny kamboty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hanesorana eo amin’ny fitsarana ny fitarainan’ny madinika izany ary hamerezan-jo aman-drariny ny mahantra eo amin’ny vahoakako, hamaboan-karena ny mpitondratena ary koa handrobam-pananana ny kamboty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana Sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, Handrobany ny mpitondratena Sy hamaboany ny kamboty!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 10:2
24 Rohy Ifampitohizana  

Moa efa nanosi-bohon-tanana ny mahantra ve aho ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena,


Ny mpitondratena sy ny kamboty vonoiny ho faty, ny valovotaka eto amin’ny taninao ataony afaka aina.


«Aza mamilivily ny rariny ananan’ny mahantranareo rehefa miseho fitsarana izy.


Aza manendaka ny mahantra, noho izy mahantra; ary aza mampahory tsy mana-mpiahy amin’ny fitsarana.


Misy karazan’olona izay manana toetra lozabe fa toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany. ka vonona izy hamongotra ny ory tsy ho amin’ny tany ary koa ny mahantra tsy ho eo anivon’ny olona.


Mianara hanao ny tsara, tadiavo ny rariny, avoty izay voan’ny tsindry hazo lena, ento ara-drariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena.


Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.


ka miampanga lainga azy amin’ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.


Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.


Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»


Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.


Manamarina ny olon-dratsy amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.


Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.


Tsy eo tokoa ny fahamarinana; ary izay miala amin’ny ratsy dia mitolo-tena ho voaroba. Hitan’ny TOMPO izany rehetra izany, ary ratsy eo imasony ny tsy fisian’ny rariny.


aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin’ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo.


rehefa ny zon’olombelona no hitsakitsahina eo anatrehan’ilay Avo Indrindra,


Ao aminao dia tsy hajaina ny ray sy reny, tsentsefina ny vahiny, ampahorina ny kamboty sy ny mpitondratena,


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Israely, fa indrindra ireto: Namidiny ho andevo ny olon-tsotra raiki-trosa mba hamerenana ny volany; ary namidiny ho andevo ny mahantra satria tsy nahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.


Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan’ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan’ny mpandefitra eo amin’ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin’ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.


toy ny amin’ny olona mandositra liona kanefa mifanehatra amin’ny orsa; na toy ny amin’ny olona tonga ao an-trano sy mitehina amin’ny rindrina, kanefa kaikerin’ny menarana.


Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra