Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 1:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Haveriko amin’ny laoniny ny mpitsaranao ho tahaka ny mpitsara taloha, ary koa ny mpanolotsainao ho tahaka ny tamin’ny andro fahiny. Amin’izay ianao dia hantsoina hoe ‹Renivohi-pahamarinana› sy ‹Tanàna mahatoky.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao ary ho toy ny tamin’ny voalohany ny mpanolotsainanao. Rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe Tanànan’ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Haveriko amin’ny laoniny ny mpitsaranao ho tahaka ny mpitsara taloha, ary koa ny mpanolotsainao ho tahaka ny tamin’ny andro fahiny. Amin’izay ianao dia hantsoina hoe ‹Renivohi-pahamarinana› sy ‹Tanàna mahatoky.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha ianao, mbamin’ny mpanolo-tsaina toy ny tamin’ny andro voalohany. Raha efa izany dia hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana, tanàna mahatoky ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, hianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 1:26
25 Rohy Ifampitohizana  

Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.


Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, ho any an-tranon’ilay Andriamanitr’i Jakôba; dia hampianariny antsika ny sori-dàlany, ary harahintsika ny lalana hatorony.» Fa avy ao Tsiôna no ivoahan’ny fampianarana, ary avy ao Jerosalema no iavian’ny tenin’ny TOMPO.


Manerinerina tokoa ny TOMPO, satria mitoetra any ambony any Izy. Nofenoiny rariny sy hitsiny ao Tsiôna.


Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao: hampanalaviriko anao ny famoretana, ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao; hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana, ka tsy hananontanona anao intsony.


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe: ‹Hitahy anao anie ny TOMPO ry Tsiôna tendrombohitra masina, fonenan’ny famonjena!›


ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Haveriko amin’ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny.


Koa ireo printsy dia hanana ny anjara taniny manokana ao Israely ka tsy hampahory ny vahoakan’ny Tompo intsony izy, fa hamela ny faritra sisa amin’ny tany ho an’ireo fokon’i Israely.»


Ary ianao, ry tendrombohitra Tsiôna izay mitsinjo ny vahoaka toy ny tilikambo fiambenana, haverina aminao ny fahefana taloha; ho renivohi-panjakana indray i Jerosalema.»


Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.»


«Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy.


Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho ka monina eo afovoan’i Jerosalema. Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.» ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro dia «Tendrombohitra masina.»


Hitondra azy avy any Aho, ka hamponina azy ao Jerosalema; dia ho vahoakako izy, ary Izaho ho Andriamaniny amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.»


I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany.


Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra