Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 1:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Halako ny voaloham-bolanareo sy ny andro firavoravoanareo, mavesatra amiko izany; sasatra mitondra azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 1:14
13 Rohy Ifampitohizana  

ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin’ny sabata na amin’ny andro voalohan’ny volana na amin’ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan’ny levita azy eo anatrehan’ny TOMPO.


«Indrisy, ry Ariela! Ry Ariela, tanànan’i Jerosalema, nataon’i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan’ny andro fety,


dia hampahorîko ianao, hoy ny Tompo, ka alahelo sy fahoriana lalina no hanjo anao, ary ho tonga «ariela»-n’ny alitara ianao amiko.


Tsy ho Ahy no namoizanao volafotsy mba hividianana veromanitra; ary tsy Izaho no novokisanao tamin’ny jaboran’ny soronao. Fa ianao no nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao sy nanasatra Ahy tamin’ny helokao.


Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»


Amin’izay, hoy AHO isaky ny tonga ny tsinam-bolana sy ny sabata, dia ho avy hiankohoka eo anatrehako ny olombelona rehetra.


Dia hoy i Isaià taminy: –Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak’i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an’Andriamanitra koa ianareo?


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.


Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin’ny fananany.


Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba anareo. Indro hataoko mikonainaika eo amin’izay misy anareo avy ianareo tahaka ny ikonainaihan’ny sarety vesaram-bary.


«Hàlako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo; ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.


Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.


Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra