Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 1:11 - DIEM PROTESTANTA

11 «Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny saboran-janak’omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO. Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho; tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 «Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny saboran-janak’omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ny zanak’omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO. Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho; tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 1:11
23 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.


Tsy ireo sorona amam-panatitrareo no aniniako anareo: eo anatrehako mandrakariva ireny rehetra ireny.


Andriamanitra ô, Andriamanitra mpamonjiko Ianao. Namono olona ho faty aho ka ataovy afa-keloka mba hihobiako ny fanafahanao ahy.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


Ny fanaovana ny marina sy mahitsy dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.


Isan’andro isan’andro dia mitady Ahy izy ary maniry hahafantatra ny lalako, tahaka ny firenena iray manao ny marina ka tsy nanary ny fitsipik’Andriamaniny. Ny fitsarana araka ny rariny no angatahiny amiko ary ny fanatrehako azy no zavatra irîny.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Ny henan’ny sorona dorana manontolo dia ampio ny henan’ny sorom-pihavanana nataonareo, ka mahereza mihinan-kena.


Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»


Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.


Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.


«Hàlako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo; ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.


Na dia anateranareo sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy hankasitrahiko izany; ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy aterinareo ho sorom-pihavanana.


Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an’arivony na ny menaka mikoriana toy ny renirano? Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»


Dia hoy kosa i Hagay hoe: –Teny hentitra avy amin’ny TOMPO àry fa ho tahaka izany ny vahoakan’ity firenena ity sy ny asa rehetra vitany; ka izay atorony eo amin’ny alitara dia maloto avokoa.


nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.»


Ndeha mba ianaro ny hevitr’ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny hamindranareo fo amin’ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona.» Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra