Noravan’i Jôsià ihany koa ny alitara tao Betela, izay toeram-panasinana nataon’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata mba hitarihana an’i Israely hanota; eny, noravan’i Jôsià io alitara io sy ilay toeram-panasinana ka nodorany sy notorotoroiny ho vovoka; ary nodorany koa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.