Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy eny an-tampon-tendrombohitra izy, ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin’ny havoana, dia eny ambanin’ny hazo ôaka, sy ny hazo be ravina ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny Koa izany no mahatonga ny zanakavavinareo hivaro-tena sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra; eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta izay tsara alokaloka! Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy eny an-tampon-tendrombohitra izy, ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin’ny havoana, dia eny ambanin’ny hazo ôaka, sy ny hazo be ravina ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny Koa izany no mahatonga ny zanakavavinareo hivaro-tena sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy, mandoro emboka eny amin’ny havoana, eny ambany oaka amam-peopilie ary terebinta, satria tsara alokaloka ireny. Noho izany raha mijangajanga ny zanaka vavinareo, sy maka vadin’olona ny vehivavinareo tanora,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, Ary eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, Dia eny ambanin’ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, Satria tsara alokaloka ireny, Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangàn’ny vinantovavinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra; eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta* izay tsara alokaloka! Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:13
20 Rohy Ifampitohizana  

Tonga izany rehetra izany noho ny nanotan’ny Israelita tavaratra tamin’ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy nitondra azy niala tao amin’io tany io. Fa nanompo andriamani-kafa ireo


Noravany ireo efitrano teo akaikin’ny tranon’ny TOMPO, efitrano izay nijangajangana ho fanompoan-tsampy sy nanenoman’ny vehivavy akanjo ho fanajana an’i Aserà.


Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin’ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.


Maimay erỳ ianareo teny akaikin’ny hazo terebinta sy ny hazo rehetra matevin-dravina. Nanao sorona zaza ianareo teny amoron’ny lohasahan-driaka sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.


Teny an-tendrombohitra avo manerinerina no nametrahanao ny fandrianao; teny koa no niakaranao hanolotra sorona.


Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.


Kanefa aoka hiaiky heloka ianao fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao: nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny fa tsy nihaino ny feoko: teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: –Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Nofidinao ireo fitafiana marevaka sasany mba handravahanao ireo toeram-panasinanao, dia nijangajanga teo amboniny ianao. Zavatra tsy tokony hitranga na hisy akory izany.


Isaky ny vavalalana dia nanorenanao toeram-panasinana; ary nandoto ny hatsaran-tarehinao teo ianao fa vao mainka nijangajanga bebe kokoa tamin’izay rehetra nandalo.


Hiampatrampatra eny anivon’ireo sampiny sy manodidina ny alitarany ny fatiny, eny an-tampon’ny tendrombohitra sy ny havoana, eny ambanin’ny hazo maitso sy matevina, dia eny amin’ny toerana rehetra nanolorany sorona ho an’ny sampiny. Amin’izay dia hoekeny izy fa Izaho no TOMPO.


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.


Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.


noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin’ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra