Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany, kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tsy nahalala izy, fa Izaho no nanome azy ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena izay nampiasainy ho an’i Baala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, Sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, Izay nolaniny ho an’ i Bala,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an'i Bala,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany, kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala* izany!

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:10
19 Rohy Ifampitohizana  

satria i Hatalià, ilay vehivavy ratsy fanahy, sy ireo mpomba azy efa nandrava ny tranon’Andriamanitra; ary ny fanaka masina rehetra tao an-tranon’ny TOMPO koa dia efa nampiasainy hanompoana an’ireo Bahala.»


Koa hevero izany, ry mpanadino Ahy, ndrao viraviraiko tsy hisy hanafaka ianareo.


Azo antoka tokoa fa hofaizina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina kosa ho voavonjy.


Noho izany, dia hataon’ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan’ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.


Amin’izay dia hanontany tena ianao hoe: «Ahoana no nahatonga izao tamiko?» Ny halehiben’ny fahadisoanao no nanaingàna ny morontongotr’akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao.


Izaho koa dia hanainga ny morontongotr’akanjonao hatreny amin’ny endrikao ka ho hita mitanjaka ianao.


Nofidinao ireo fitafiana marevaka sasany mba handravahanao ireo toeram-panasinanao, dia nijangajanga teo amboniny ianao. Zavatra tsy tokony hitranga na hisy akory izany.


Nataonao fanatitra taminy mba ho hanitra ankasitrahiny ny sakafo rehetra izay nomeko anao, dia ny koba tsara indrindra sy ny menaka ary ny tantely izay nafahako anao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Hamely anao amim-pankahalana izy ka haka ny vokatry ny asanao. Havelany hitanjaka sy hiboridana ianao ary hiharihary eo imason’ny rehetra toy ny vehivavy janga. Ny filibànao sy ny fanaranam-batanao


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.


Ny mpiray firenena aminareo raha lehilahy, dia ilazao hoe: «Hamỳ» ary raha vehivavy, dia ilazao hoe: «Rôhamà».


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra