Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 11:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Hisy ady mafotaka ao an-tanànany, ka handrava ny fiarovany ary hahatonga fandripadripahana; izany no vokatry ny pôlitikan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hisy sabatra hihodinkodina ao an-tanànany ka handrava ny manodidina ary handevona azy noho ny fikasana nananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Hisy ady mafotaka ao an-tanànany, ka handrava ny fiarovany ary hahatonga fandripadripahana; izany no vokatry ny pôlitikan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hampandihizana sabatra ao an-tanànany ka handravaka ny hidiny ary handevona izany, noho ny fisainan’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany Ka handrava sy handevona ny hidiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hisy sabatra hihodinkodina ao an-tanànany ka handrava ny manodidina ary handevona azy noho ny fikasana nananany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 11:6
25 Rohy Ifampitohizana  

Nozimbainy tamin’ny nataony koa ny tenany fony izy nivadika tamin’ny Tompo Andriamaniny.


Imbetsaka izy no nafahan’ny Tompo, saingy nikiry tamin’ny fikomiany ka nilentika tanaty heloka hatrany.


Fa alohan’ny fotoam-pijinjana, rehefa tapitra namelana avokoa ny voaloboka ary rehefa tonga voany mihamasaka ny voniny, dia horantsanana amin’ny hety ny rantsany, ary hotapahina ny sakeliny sy ny raviny.


Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo.


Lozanareo zanaka maditra, hoy ny TOMPO! Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny; manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko. Heloka ampiana heloka izany.


Fa ny loholona sy ny manankaja no tampony, ary ny mpaminany mampianatra lainga no fotony.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Hisy ady hamely ny Babilônianina, mbamin’ny mponina ao an-drenivohitra sy ny mpitondrany ary ny olon-kendriny!


Tototry ny tany ireo vavahadin’i Tsiôna; nopotehina sy nomontsanina ny hidiny. Ny mpanjaka sy ireo mpitondra dia eo an-tanan’ny hafa firenena. Tsy misy fampianaran’ny mpisorona intsony; ary na ny mpaminany aza tsy mandray hafatra avy amin’ny TOMPO.


Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.


Satria io ombilahikely io koa dia hoentina any Asiria ho fanomezana ho an’ilay Mpanjaka lehibe; hahafa-baràka an’i Efraîma izany; eny, hangaihay i Israely noho ny sain-dratsiny.


Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak’ondry andrasana eny an-kijana?


Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy


Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.


Horavako ny tanànanareo, ka hataoko tonga lao ny trano fivavahanareo, ary tsy hankasitrahiko velively ny hanitry ny soronareo.


Ianareo kosa, ady no hapoakako hamelezana anareo ka haeliko any amin’ny firenen-kafa ianareo; dia ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.


Ny TOMPO efa mianiana amin’ny tenany; Ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: «Mahatsiravina Ahy ny avonavon’ny fanjakan’i Israely ary hàlako ireo lapany, ka hatolotro ny fahavalony ny renivohitra Samaria mbamin’izay rehetra ao anatiny.»


Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.


Hataony fahirano ianareo, any amin’ny tanàna rehetra misy anareo eran’ny taninareo, mandra-pandravany ny manda avo sy mafy izay itokianareo; eny, hataony fahirano ianareo, any amin’ny tanàna rehetra misy anareo, eran’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.


Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana; ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty. Ka samy hiharan’izany avokoa na zatovolahy na zatovovavy na zazakely na beantitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra