Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 10:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 dia hisy tabataba hamelezana ny olonao ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela tamin’ny andro niadiana ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao, ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmanà an’i Beta-Arbela, tamin’ny andron’ny ady izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, Ka horavana ny tanànanareo mimanda rehetra, Toy ny nandravan’i Salamana an’i Bet-arbela tamin’ny andro niadiana, Ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 dia hisy tabataba hamelezana ny olonao ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela tamin’ny andro niadiana ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 10:14
21 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.


Nafoiny avokoa ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan’ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an’i Aserà ary niankohoka teo anatrehan’ny planeta aman-kintana sady nanompo an’i Bahala.


Tonga nanafika azy i Salmanesera mpanjakan’i Asiria, koa dia nanaiky handoa hetra ho azy i Hôsea.


Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan’ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?


Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraîma; tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy, ary izay sisa tavela amin’ny Sirianina dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita. Izany no teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiôna, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: «Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan’izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an’izao afo tsy misy farany izao?»


Hampifandrotehiko ny olona ka ny ray aman-dreny hamely ny zanany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy hitsitsy na hiantra na hamindra fo Aho fa handringana azy.»


Azon’ny fahavalo ireo tanàna, azony ny toera-mimanda. Ary amin’izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.


Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»


«Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny helony, dia horavako ireo alitara ao Betela; hopotehiko ny tandroky ny alitara isanisany, ka hianjerazera amin’ny tany.


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy.


Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.


Nefa na ny mponin’i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dàlana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.


Ny manda mafy rehetra anananao dia ho toy ny aviavy efa masa-boa; raha hohozongozonina ny fototra, dia hihintsana eo am-bavan’izay te hihinana azy.


Tsy raharahany akory izay mpanjaka, ary dia ihomehezany ny mpanapaka. Tsy mampihontsina azy izay tanànamimanda; tovon-tany no asavovony, dia afany ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra