Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 4:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin’izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Tezitra aho, ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.» Izany no teny nataon’Andriamanitra na dia efa vitany tamin’ny nahariany an’izao tontolo izao aza ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: «Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.11), na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin’izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Tezitra aho, ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.» Izany no teny nataon’Andriamanitra na dia efa vitany tamin’ny nahariany an’izao tontolo izao aza ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: ,,Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy’’ (Sal. 95.11), na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 4:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.


Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe: Tsy hidiran’ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko.»


Fa enina andro no nanaovako ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Aho tamin’ny andro fahafito. Izany no nahatonga Ahy TOMPO nitahy ny andro sabata sy nanokana azy ho Ahy.


Marina fa efa nilazan’ny Tompo tokoa ireo hoe: «Eto no hahitanareo fialan-tsasatra, avelao hiala sasatra izay vizana, fa toerana milamina eto!» Kanjo tsy nety nihaino ireo.


Izao no lazain’ny TOMPO: Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»


Hoesoriko tsy ho eo aminareo ireo nikomy sy niodina tamiko. Hoentiko miala amin’ny tany izay ivahiniany izy, nefa tsy hiverina intsony any amin’ny tanin’i Israely. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.›


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Fanoharana no hitenenako; zavatra nafenina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao no hambarako.»


Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.


Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin’i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika,


Tezitra Aho ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo!»


Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.


raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin’izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin’ny nanolorany tena ho sorona.


I Kristy dia efa voatendrin’Andriamanitra rahateo talohan’ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin’izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra