Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hebreo 4:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Fa isika koa dia nitoriana Filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy satria tsy nitondra finoana tao amin’izay nandre azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’izay nandre.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 4:2
20 Rohy Ifampitohizana  

Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe: –Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay.


Ho anareo aloha no nampijoroan’Andriamanitra ny Mpanompony sady nanirahany Azy mba hitahy anareo, dia ny hampiala anareo tsirairay avy amin’ny asa ratsinareo.


Eny, mahasoa anao ny famorana raha manatanteraka ny lalàna ianao; fa raha mandika ny lalàna kosa ianao, dia toy ny tsy voafora mihitsy.


Fa ahoana kosa ny amin’izay tsy nahatoky tamin’ireo Jiosy ireo? Noho ireny tsy nahatoky ireny ve no hampiova an’Andriamanitra ka hahatonga an’Andriamanitra ho tsy mahatoky?


Na dia mizara ny fananako rehetra amin’ny mahantra sy mahafoy ny tenako mba hireharehako aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsy misy mahasoa ahy akory izany.


Izaho ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: noho ianareo nanatanteraka ny lalàna ve nandraisanareo ny Fanahy Masina sa noho ianareo nihaino sy nino ny Vaovao Mahafaly?


Tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan’Andriamanitra ny hafa firenena ho marina; noho izany, dia nambaran’ny Soratra Masina mialoha tamin’i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn’Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!»


nefa fantatrareo fa aretina nihatra tamin’ny tenako no nahatonga ahy hitory aminareo ny Vaovao Mahafaly tamin’ny voalohany;


Ary, tamin’izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo.


Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin’ny teny fotsiny ihany fa tamin’ny hery aman’asan’ny Fanahy Masina mbamin’ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo.


Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.


Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.


Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; koa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.


Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.


Noho izany, ireo voalohany nandre ny Vaovao Mahafaly dia tsy tafiditra tao amin’izany toeram-pitsaharana izany, satria tsy nanaiky; fa mbola mahazo miditra ihany ny sasany.


Noho izany, ario avokoa ny fahalotoana sy ny haratsiam-panahy rehetra; raiso amin’ny fahalemem-panahy ny teny ambolen’Andriamanitra ao anatinareo sady mahavonjy ny tenanareo.


Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra