Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hagay 2:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin’ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Iza aminareo mbola velona no nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy ankehitriny? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va izy ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin’ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Iza aminareo sisa velona, no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?

Jereo ny toko dika mitovy




Hagay 2:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.


Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.


Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr’izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.


Ny tempoly masina sady mamirapiratra izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao dia kilan’ny afo, ary ny zava-drehetra maminay indrindra dia rava avokoa.


Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.


Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra