Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 6:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Nefa kosa haoriko aminao ny fanekeko; hiditra ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vinantovavinao izay miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara ianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ny vinantonao-vavy miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Nefa kosa haoriko aminao ny fanekeko; hiditra ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vinantovavinao izay miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 6:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.


–Amiko, dia izao no fanekempihavanako aminao: Hanjary razamben’ny firenena maro ianao.


Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.


Hoy ny TOMPO tamin’i Noà: –Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao irery no hitako fa marina teo anatrehako tamin’izao taranaka izao.


Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo;


Niditra tao anaty sambofiara izy mbamin’ny vady aman-janany ary ireo vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano.


Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko, ka hidio mafy ny varavarana; miere kely indray mipy maso monja ianao mandra-pisindan’ny fahatezeran’ny Tompo.


Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.


dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano.


Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra