Genesisy 48:20 - DIEM PROTESTANTA20 Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao: –Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!» Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201120 Dia nitsodrano azy ireo izy tamin’io andro io ka niteny hoe: Ny anaranareo no hoentin’ny Israely hitsofana rano, hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie ianao! Koa i Efraima no nataony alohan’i Manase. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao: –Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!» Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma. Jereo ny tokoBaiboly Katolika20 Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: «Aminao no hitsofan’i Israely rano, hoe: ‹Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy i Manase anie ianao.› » Toy izany no nanaovany an’i Efraima ho alohan’i Manase. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy20 Dia nitso-drano azy tamin’izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ny Isiraely rano hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie hianao. Ary Efraima no nataony alohan’i Manase. Jereo ny tokoMalagasy Bible20 Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase. Jereo ny toko |