Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Toy izany no namoahan’i Jôsefa lalàna tany Ejipta, lalàna mbola manan-kery mandraka androany, fa ny ampahadimin’ny vokatra dia aterina ho an’ny Farao. Ny tanin’ny mpisorona irery ihany no tsy mba lasa fananan’ny Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Nataon’i Josefa ho lalàna tany amin’ny tany Ejipta mandraka androany izany. Ho an’i Farao ny ampahadimin’ny vokatra; ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Toy izany no namoahan’i Jôsefa lalàna tany Ejipta, lalàna mbola manan-kery mandraka androany, fa ny ampahadimin’ny vokatra dia aterina ho an’ny Farao. Ny tanin’ny mpisorona irery ihany no tsy mba lasa fananan’ny Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Dia nataon’i Josefa ho lalàna tany amin ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an’i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Nataon’i Josefa ho lalàna tany amin’ny tany Ejipta mandraka androany izany. Ho an’i Farao ny ampahadimin’ny vokatra; ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:26
11 Rohy Ifampitohizana  

Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.


Ary ity vato izay efa naoriko ho tsangambato ity dia hanjary tranon’Andriamanitra, ka ny ampahafolon’izay rehetra homeny ahy dia hatolotro Azy.


Dia manendre koa solotena hanangona ny ampahadimin’ny vokatra eto amin’ny tany mandritra ny fito taona zina.


Ny tany tsy mba novidin’i Jôsefa dia ny tanin’ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan’ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen’ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan’ireo mpisorona ny taniny.


Ka hoy ny navalin’ireo hoe: –Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon’ny Farao.


Ampahafantarinay anareo mpitahiry harem-panjakana koa fa ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira sy mpiandry varavarana, ary ny mpanampy sy mpiasa hafa ao amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra na haba na sara.


Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon’ny mponina. Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.


«Ny ampahafolon’ny vokatry ny tany, na avy amin’ny tanim-bary na avy amin’ny saha, dia an’ny TOMPO; voatokana ho AZY izany.


Ary hoy koa ny TOMPO hoe: –Ny levita kosa dia omeko ny fahafolon-karena rehetra voaangona amin’ny Israelita noho ny asam-panompoany ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Havahanareo ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinareo, izany hoe ny vokatry ny sahanareo isan-taona.


Isaky ny telo taona no fanangonana ny fahafolon-karena. Ka rehefa tapitra voaavakareo ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrareo, dia omeo ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izany mba hananany hanin-kahavoky azy ao an-tanànanareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra