Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia nentin’ny olona tany amin’i Jôsefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan’i Jôsefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin’iny taona iny dia nanome sakafo azy i Jôsefa ho takalon’ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia noentin’izy ireo tany amin’i Josefa ny omby aman’ondriny ka natakalon’i Josefa hanina ny soavaly mbamin’ny ondry aman’osy ary ny omby sy ny borikin’izy ireo. Nomeny hanina izy ireo tamin’izany taona izany ho takalon’ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia nentin’ny olona tany amin’i Jôsefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan’i Jôsefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin’iny taona iny dia nanome sakafo azy i Jôsefa ho takalon’ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia nentiny nankany amin’i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen’i Josefa hanina izy ho takalon’ny soavaliny, sy ny andian’ondry aman’ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin’izany taona izany ho takalon’ny biby fiompiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia nentiny tany amin’i Josefa ny omby aman-ondriny, ka notakalozan’i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman-osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin’izany taona izany ho takalon’ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.


Nony afaka herintaona dia niverina tany amin’i Jôsefa indray ny olona ka niteny taminy hoe: –Tsy afeninay aminao, tompoko, fa tsy manam-bola intsony izahay, ary ireo biby fiompinay dia efa lasanao. Koa tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay no sisa eto anatrehanao.


Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ny mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany.


Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe: –Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy.


dia hamely ny biby fiompinao any an-tsaha ny TOMPO: hisy areti-mandringana mahery vaika hamely ny soavaly sy ny boriky, ny rameva sy ny omby, ary ny ondry aman’osy.


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


–Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombàny ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra