Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman-ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahàna, dia tonga tany amin’i Jôsefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: –Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao?


Dia nentin’ny olona tany amin’i Jôsefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan’i Jôsefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin’iny taona iny dia nanome sakafo azy i Jôsefa ho takalon’ny biby fiompy rehetra.


Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran’ny vavolombelona mandainga.


Aza manao izay hahasolafaka olona amin’ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena na ny Fiangonan’Andriamanitra.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan’izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra