Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 45:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany; mbola hisy dimy taona koa tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fa efa roa taona izao no nisian’ny mosary amin’ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasàn-tany, na hijinjàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa roa taona izao no efa nisian’ny mosary teto amin’ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany; mbola hisy dimy taona koa tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.


Aoka hangonin’ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin’ny isan-tanàna.


Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.


Nifarana ny fito taona zina tany Ejipta;


ary nanomboka kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa voalazan’i Jôsefa. Nihatra tamin’ny tany rehetra ny mosary; fa nanerana an’i Ejipta kosa nisy tahirim-bokatra.


Ary rehefa nanenika an’i Ejipta manontolo ny mosary, dia nasain’i Jôsefa novohana ny fitahirizam-bokatra mba hivarotana vary amin’ny Ejiptianina, satria namely mafy ny mosary manerana an’i Ejipta.


Nony afaka herintaona dia niverina tany amin’i Jôsefa indray ny olona ka niteny taminy hoe: –Tsy afeninay aminao, tompoko, fa tsy manam-bola intsony izahay, ary ireo biby fiompinay dia efa lasanao. Koa tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay no sisa eto anatrehanao.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny vahoaka: –Ankehitriny efa voavidiko ho an’ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin’ny taninareo.


«Manana andro enina isan-kerinandro ianareo hiasanareo, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra amin’ny raharahanareo ianareo na dia amin’ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza.


Ny omby sy boriky miasa tany dia hihinana vilona voaisy sira sady voaparitaka amin’ny farango fikororohana.


ka ireo ihany no hitondra azy midina amina-lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy ritra; ary ao anatin’io renirano io no hamolahan’ireto loholona ny vozon’ilay vantotr’ombivavy.


ny sasany hataony manamboninahitra mpibaiko rezimanta na vondron-tafika. Ny hafa hataony mpiasa ny taniny sy mpijinja ny vokany, na koa mpanefy fiadiana sy fitaovana momba ny kalesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra