Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 42:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Namaly kosa ireo hoe: –Misy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, zanak’olona iray ihany any amin’ny tany Kanahàna; ary indro ny faralahy aminay aza dia nijanona any amin’ny rainay, fa ny iray kosa efa tsy ao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hoy izy ireo: Roa amby folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanana; ary indro, ny faralahy dia any amin’ny rainay ankehitriny, fa ny iray dia tsy ao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Namaly kosa ireo hoe: –Misy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, zanak’olona iray ihany any amin’ny tany Kanahàna; ary indro ny faralahy aminay aza dia nijanona any amin’ny rainay, fa ny iray kosa efa tsy ao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa hoy izy: Roa ambin’ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin’ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Hoy izy ireo: Roa amby folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanana; ary indro, ny faralahy dia any amin’ny rainay ankehitriny, fa ny iray dia tsy ao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:13
26 Rohy Ifampitohizana  

Niverina nankeo amin’ireo rahalahiny izy ka niantsoantso hoe: –Tsy ao intsony ny zaza, ka aiza no tany halehako?


Zanak’olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao.


Ary hoy i Jôsefa taminy: –Tsia, fa hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo.


Hoy indray i Jôsefa taminy: –Izany indrindra no efa nilazako anareo hoe mpitsikilo ianareo.


Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay, ka ny iray dia efa tsy ao intsony fa ny faralahy kosa dia nijanona any Kanahàna miaraka amin’ny rainay.»


Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.


Hoy kosa i Jakôba hoe: –Tsia, tsy handeha hidina miaraka aminareo ny zanako. Efa maty ny rahalahiny, ary izy irery no sisa. Raha hisy fahavoazana manjo azy eny an-dalana, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr’alahelo hankany amin’ny toeran’ny maty.


Ary nanopy maso i Jôsefa ka nahita an’i Benjamîna rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: –Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian’i Jôsefa hoe: –Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!


Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»


Dia namaly izahay hoe: «Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan’ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.»


Ny anankiray dia niala teto amiko; ary heveriko fa lanin’ny bibidia tokoa izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.


Notantarainy azy fa mbola velona any i Jôsefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin’ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an’i Jakôba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.


Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»


Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy; fa izahay no mivesatra ny helony.


Tamin’izay dia tsinjon’i Herôda fa voafitak’ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin’ireo olon-kendry.


«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra