Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Avy eo dia nisy ombivavy fito hafa niakatra taorian’ireo ka mahia sady ratsy tarehy sy saozanina. Tsy mbola nahita biby ratsy toy izany aho nanerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa indray kosa niakatra nanaraka azy ireny, mangozohozo sady tena ratsy tarehy no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ny tany Ejipta rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Avy eo dia nisy ombivavy fito hafa niakatra taorian’ireo ka mahia sady ratsy tarehy sy saozanina. Tsy mbola nahita biby ratsy toy izany aho nanerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Nanaraka ireo, dia indreo omby vavy fito hafa koa, mahia, ratsy tarehy, sady kaozatra erỳ, tsy mbola hitako izay ratsy toy izany teto amin’ny tany Ejipta rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ny tany Egypta rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny tany Egypta rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa indray kosa niakatra nanaraka azy ireny, mangozohozo sady tena ratsy tarehy no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ny tany Ejipta rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:19
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy tao amin’ny ony ka niraoka ahitra teny amorony.


Dia nohanin’ireto ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy ireto ny ombivavy fito matavy izay nialoha azy.


Avy eo dia nisy ombivavy fito hafa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin’ny ony, ka nitsangana teo anilan’ireo matavy teo amoron-drano;


Aza atao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman’osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra