Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ato anatin’ny telo andro dia hasandratry Farao ianao, ka haveriny eo amin’ny toeranao, ary hanolotra ny tsangambavan’ny Farao toy ny teo aloha araka ny maha lehiben’ny mpandroso zava-pisotro anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ny lohanao ka hampodiny ho ao amin’ilay nipetrahanao ianao; hanolotra ny kapoakan’i Farao ho eo an-tanany indray ianao, tahaka ilay fanao fahiny fony ianao mpitondra kapoakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ato anatin’ny telo andro dia hasandratry Farao ianao, ka haveriny eo amin’ny toeranao, ary hanolotra ny tsangambavan’ny Farao toy ny teo aloha araka ny maha lehiben’ny mpandroso zava-pisotro anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao hianao ka hampodiny ho ao amin’ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’i Farao ho eo an-tànany hianao tahaka ilay fanao fahiny, fony hianao mpitondra kapoakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ny lohanao ka hampodiny ho ao amin’ilay nipetrahanao ianao; hanolotra ny kapoakan’i Farao ho eo an-tanany indray ianao, tahaka ilay fanao fahiny fony ianao mpitondra kapoakany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.


Ary hoy i Jôsefa taminy: –Izao no hevitry ny nofinao: ny sampany telo dia manambara andro telo.


Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity.


Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.


Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.


maro loatra ny milaza momba ahy hoe: «Tsy manam-pamonjena amin’Andriamanitra izy!» Fiatoana


Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna. Koa tamin’ny volana faha-12 tao anatin’io taona io, nony andro faha-27,, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra