Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 39:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Noho izany dia navelany teo am-pelatanan’i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin’ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary satria nanana azy i Potifara dia tsy nihevitra zavatra hafa intsony afa-tsy ny sakafony ihany. Ary i Josefa dia bikana sady tsara tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Noho izany dia navelany teo am-pelatanan’i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin’ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary napetrany teo an-tanan’i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary i Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikana sady tsara tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary satria nanana azy i Potifara dia tsy nihevitra zavatra hafa intsony afa-tsy ny sakafony ihany. Ary i Josefa dia bikana sady tsara tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 39:6
12 Rohy Ifampitohizana  

I Leà dia malefa-pijery, fa i Rahely kosa tsara tarehy sady bikàna.


Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.


Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.


Fa hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.


Norosoana sakafo mitokana i Jôsefa, natao mitokana ny an’ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin’ny Hebreo satria fady izany.


Matoky azy tanteraka ny vadiny, satria tsy mandanilany fananana izy.


Izay mahatoky amin’ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin’ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.


Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara; nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra tanàna folo.»


Tamin’izany fotoana izany no nahaterahan’i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason’Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy;


Dia nampanalain’i Jisay i Davida, izay tovolahy mazava endrika sady baribary maso no tsara tarehy. Ary hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: «Io no izy, koa mandehana hosory mpanjaka izy.»


Dia nandinika an’i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra