Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, any Seìra, tanin’i Edoma i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ARY nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin’i Edoma.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, any Seìra, tanin’i Edoma i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:4
23 Rohy Ifampitohizana  

–Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.


ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).


Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Namaly azy i Itsehàka hoe: –Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!


Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.


Nanome baiko ny mpanompo voalohany i Jakôba nanao hoe: –Rehefa mifanena aminao i Hesao rahalahiko, ka manontany anao hoe: «An’iza moa ianao? Ho aiza ianao ary an’iza ireo biby fiompy mandeha eo alohanao?»


Nanafatra an’ireo iraka izy hoe: –Izao no holazainareo amin’i Hesao: «I Jakôba mpanomponao, tompokolahy, dia nanafatra anay hilaza hoe: Nivahiny tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany hatramin’izao.


Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian’ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira.


Ary nanontany i Hesao hoe: –Inona moa no anton’ny nandefasanao ireny fanomezana rehetra izay nifanena tamiko ireny? Ka hoy i Jakôba hoe: –Mba handraisanao ahy tsara, tompokolahy.


Izany no nipetrahan’i Hesao na i Edôma tany an-tendrombohitra Sehira.


Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao, razamben’ny Edômita izay nonina teny an-tendrombohitra Sehira.


Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy.


Dia nisikina lamba gony ireo ary ny tanany nofatorana mahazaka teo ambony lohany, dia nankany amin’ny mpanjakan’i Israely izy sady nanao hoe: –Mitalaho aminao i Bena-Hadada mpanomponao mba hitsimbina ny ainy. Fa hoy i Ahaba: –Moa mbola velona ve izy? Rahalahiko manko izy!


Fa novaliany hoe: –Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity.


Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.


Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara; ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.


Raha eny, dia izao no ataovy, anaka, mba hahafaka ny tenanao izay efa mby eo an-tanan’ny namanao: mandehana mitalaho mafy aminy.


Raha tezitra aminao ny mpampiasa anao, dia aza miala amin’ny toeranao; fa ny fihetsika tony misoroka fahadisoana be vava.


Hafatra momba an’i Domà. Nisy niantso ahy avy ao Sehîra hoe: «Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?»


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.


tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy niantso azy hoe «tompoko». Zanak’i Sarà ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.


Rehefa tonga avy tany Edôma Ianao, Tompo ô, ka nidina avy teny an-tendrombohitra Sehira, dia nihovotrovotra ny tany, ary nandrotsaka orana ny rahona, dia ora-mikija avy any an-danitra;


Fantatr’i Saoly ny feon’i Davida, ka hoy izy hoe: –Ny feonao ve izany reko izany, ry Davida zanako? Dia hoy ny navalin’i Davida azy: –Eny, ry mpanjaka, ny feoko tokoa izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra