Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia nitoetra teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary nangalany hatao fanomezana ho an’i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-drano-masina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


Dia nentin’ny TOMPO nivoaka teny ivelan’ny tranolay izy ka nilazany hoe: –Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao! Dia mbola nampiany hoe: –Ho toy izany ny taranakao!


Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Dia nandry teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary naka avy tamin’izay teo an-tanany izy mba hatao fanomezana ho an’i Hesao rahalahiny,


Dia novalian’i Jakôba hoe: –Aza manao izany re ianao, fa raha mba sitrakao ihany aho, dia raiso ny fanomezana natolotro anao. Fa raha nahita tava anao aho teo, dia hoatry ny nahita ny tavan’Andriamanitra, noho ianao tsara fandray ahy.


Ary nanontany i Hesao hoe: –Inona moa no anton’ny nandefasanao ireny fanomezana rehetra izay nifanena tamiko ireny? Ka hoy i Jakôba hoe: –Mba handraisanao ahy tsara, tompokolahy.


I Jôsefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin’ireo olon’ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jôsefa ireo rahalahiny.


Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.


Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.


Dia hoy aho tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa: –Be sady midadasika ny asa; ka dia voazarazara eny amin’ny manda sy mifanalavitra isika!


Ny kolikoly dia heverina hanambina ny mpanolotra azy, ka hampahomby ny zavatra rehetra hataony.


Ny fanomezana dia mamoha varavarana ny mpanolotra ary mampiditra azy eo anatrehan’ny lehibe.


Maro no mandokadoka ny olona ambony; ary ny besinimaro dia sakaizan’ny mpanome zavatra.


Ny fanomezana atao mangingina dia mampitony ny fahatezerana, ary ny tolotra omena an-kinafinafina mampitsahatra ny fahavinirana.


Ankehitriny aoka ireto fanomezana entiko ho anao ireto mba hozaraina amin’ireo tovolahy miaraka aminao.


Anontanio ny mpiandry ondrinao fa afaka hanamarina izany aminao. Koa miangavy i Davida ny hanehoanao fitiavana aminay, satria tonga amin’ny andro fety izahay. Ary mba omeo izay azonao omena ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra